Raha nisakana Ikopa, raha nisakana i Mananara, tsy hary i Betsiboka.
Sokajy: rano
Rakotoaly 07/01/2015 10:49

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

Rakotoaly ( 07/01/2015 10:52)
Ara-bakiteny, ireo renirano roa ireo no mihaona any Maevatanana any ka niteraka ny fisian'i Betsiboka.

Ny hevitra tiana ampitaina dia tsy tongatonga ho azy ny zava-misy, na ny fisian'ny tranga iray raha tsy tao ny loharano nipoirany.

Hevitra hisarihana indrindra ny sain'ny zanaka tonga amin'ny toerana avo, nefa matetika misy manadino ny loharano nipoirana (ray aman-dreny, mpiray tampo indrindra ny zoky, tanindrazana, firenena, fianakaviana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0673