Aleo manenina tsy nahazo toy izay manenina nahazo.
Lemonja 05/01/2017 14:29

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

Lemonja ( 05/01/2017 14:51)
Ohabolana Betsileo io. Mila mampiasa saina kely vao mahazo ny tian'ity fitenenana ity holazaina ary tokony hahagaga antsika ny nametrahako azy ao amin'ny sokajin'ny "fitiavana". Kanefa dia tena izany tokoa no zava-nisy! Toa izao, indray, ilay tantara (contexte):
Nisy tovolahy iray, mpianatra, nanofa trano tao an-drenivohitr' i Madagasikara. Somary efa lehibebe ilay Ramatoa tompon-trano ary nipetraka tao ambony rihana ihany. Nanaja dia nanaja ny fiainana manokan'ity tovolahy mpianatra nanofa trano taminy ity izy tamin'ny voalohany... Indray andro anefa dia nahatsikaritra izy fa nanomboka nisy tovovavy tsaratsara fitafy nefa tsy dia fantampatam-piaviana loatra namangivangy ity mpanofa trano ity izay efa noraisiny toy ny zanany lahy. Tsy vitan'izany fa nentin'ilay ranamana tao aminy ilay tovovavy ary nilazany fa io no ho andefimandriny...
Afaka fotoana fohy taorian'izay dia nantsoin'ilay Ramatoa ilay zatovo ka nilazany tamim-pitiavana sy fahamatorana hoe : "Ry zanako lahy รด, mba fidifidio ihany izay hovadiana fa ... (tohizo amin'ilay ohabolana!) e".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0902