Aviavy be toy ny tandrimo, kanefa raha sendra rivotra milefitra ihany.
Zohimbato 21/08/2025 05:50

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

Zohimbato ( 02/09/2025 12:22)
Mitomboa hasina hatrany tompoko.
hery ( 01/09/2025 17:45)
Ah ok, misaotra anao
Zohimbato ( 01/09/2025 17:41)
???? Ny tandrimo (toupie) rehefa milalao ny ankizy dia mihodinkodina tsara, toa matanjaka sy tsy azo ahintsana.
Fa raha vao sendra rivotra kely na fihozongozonana dia mianjera avy hatrany.

Hevitra tiana hambara :

Olona na zavatra mampiseho hery ivelany sy fiandrianana, nefa tsy maharitra rehefa tonga ny fitsapana na olana kely.

Mampiseho fa misy olona mirehareha sy miseho lehibe, kanefa mora mihozongozona sy milefitra amin’ny zava-madinika.
hery ( 01/09/2025 07:52)
Tsy azoko kely ity. Tandrimo milefitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0984