Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Zozoro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Zozoro
Hampiditra ohabolana
1.
Zozoro anaty farihy, ka raha tsofin'ny rivotra miara-miraika.
soanja
2.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
3.
Langilangy zozoro, ka midoboka fa tsy maharary.
soanja
4.
Tsara vatana miloloha taim-boalavo tahaka ny zozoro.
aivetinakely
5.
Toy ny zozoro an-keniheny, misedra rivotra miara-midola, toherin-drano miara-milamaka.
aivetinakely
6.
Malaza ho vy nefa tsy mahafolaka zozoro.
ontsy
7.
Aza miefitra anaty toy ny harefo, fa manaova mahitsy toy ny zozoro
aivetinakely
8.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
9.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
10.
Zozoro taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1073