Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amby
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amby
Hampiditra ohabolana
1.
Mopera vaky damozana, "Samby vita ry zanako".
FatikyRaketa
2.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
3.
Mihinana am-bolony toy ny Malagasy voatamby, handeha hifidy.
Rakotoaly
4.
Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.
aivetinakely
5.
Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
6.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
7.
Samby mpanaka tsy fagnome oran-dahy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
8.
Manana amby tsy ampy, hoatra ny sola vaohina.
soanja
9.
Masombika manambady Hova: gny tragno, iraisana, fa gny zaka, samby hafa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
10.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
11.
Ny tambitamby efa lany, ny fitia efa nadiva ka na hifona aza tsy azo iverenana intsony.
aivetinakely
12.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
13.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
14.
Tana mpamono mpanambitamby, vava mpitezitra mpamalifaly
latina
15.
tsara hira ratsy saina minjola maso ihany fa tsy misy tamby ho antenaina
ninonati
16.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
17.
Andry ombin-dRalaimora ny lehibe voatambitamby, ny kely voasafosafo
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1249