Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe avoaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
avoaka
Hampiditra ohabolana
1.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
2.
Aza ny ahakelin'ny maojany no jerena, fa ny haben'ny lohan-jaza havoakany
lehsabotsy
3.
Ny olona no miady, ny marina no avoaka
yveratsimb
4.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
5.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
6.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
7.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
8.
Ny fitia tsy mba hetra, ka terèna vao havoaka
aivetinakely
9.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
10.
Bangaridana homan-Katsaka voatono hoe ka :ny hanina katsaka, ny avoaka dia mbola katsaka ihany
sylvoalias
11.
Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
niryna
12.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
13.
Ny mpandainga dia namana hatrany fa ny lainga avoakany no hialao lavitra.
xtxman
14.
Aza manao kanakana nahazo net ka ny vava avoaka ratsy avokoa
blimtax
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0279