Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe dinika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
dinika
Hampiditra ohabolana
1.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
2.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
3.
Vilahin-doso, sady tsy mahatevy ala no tsy mahadinika kitaina. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
4.
Voadinika lava tahaka ny vady vao, mandeha voatsikilo, mipetraka voara-maso.
aivetinakely
5.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
6.
Ataovy fitia tanam-poza ka lany mbamin'ny madinika indrindra.
aivetinakely
7.
Raha malahelo, mitrakà hijery masoandro, raha kivy mandehàna mandinika ny volana.
aivetinakely
8.
Aza miandry ho avara-pianarana vao handinika ny zavaboary.
aivetinakely
9.
Andriamanitra miahy ny madinika fa tsy manary kosa ny adalan-karena ho very
stefcom
10.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
11.
Miainga amin'ny fahafantaranao ny zava-madinika no ahafantaranao ny zava-dehibe
niryna
12.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
13.
aza manao ombilahin'Ihosy: ampiadin-tsy miady, ampihosen-tsy mihosy, hanin-kena mafy hena, avela ihany, manoto ny madinika.
latina
14.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
15.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
16.
teli-moka ramosalahy ka any atenda mandinika
doum
17.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.022