Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 175 - 194 amin'ny 214
# Daty Ohabolana Nampiditra
194 31/01/07 tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika latina
193 31/01/07 Manasa ny be kibo, ka ny vary no lany, mananatra ny adala, ka ny vava no vizana. latina
192 31/01/07 Raha mararin-teny, aza mitakarina latina
191 31/01/07 izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina latina
190 31/01/07 Ny hevitra dia toy ny ketsa: raha lava loatra, maningotr aina; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany latina
189 31/01/07 Manan-tsira ka mahay mahandro latina
188 31/01/07 Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa latina
187 31/01/07 Monina ambanin'ny saokan'ny hendry latina
186 31/01/07 hendry an-tranon'olona toa Rainitoazy latina
185 31/01/07 raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha latina
184 31/01/07 Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy. latina
183 31/01/07 Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana latina
182 31/01/07 Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany latina
181 31/01/07 aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany latina
180 31/01/07 Ny zanak'omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampiantin-kabary latina
179 31/01/07 raha hendry loholona, dia hendry vahoaka latina
178 25/07/09 Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy niryna
177 25/07/09 Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany niryna
176 25/07/09 Ny olon-dratsy no matetika manolotra toro-hevitra tsara niryna
175 25/07/09 Tsy fantatro loatra izay mahatafita ny olona fa raha te ho rendrika hianao dia omeo fahafapo ny rehetra niryna
 < 1 2 3 4 >  Last