Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
hery
Hampiditra ohabolana
1.
Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra
hery
2.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
3.
Lomanom-boka ka tafita vao rendrika
hery
4.
Fohy fa henjana tahaka ny rambon'omby tapaka
hery
5.
Akoho mitsiri-bilany, mijery ny fasana ilevenany
hery
6.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
7.
Miankanjo vahoaka raha lohataona fa mihanja-pasika fahavaratra ohatra ny moron-dranomasin' Amborovy
hery
8.
Matsabory ambany tanàna, ndray tsy higiahigny fa hanasana vity
hery
9.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
10.
Vady tsy vita fômba ka raha tromban'Amboa, avy tsy kahiana
hery
11.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
12.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
13.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
14.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
15.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
16.
Mitady ny maimbo ka misaron-doha mangery
hery
17.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
18.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
19.
Sokatra ilatsaham-baratra, henoy izany ry hazon-damosina
hery
20.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
21.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
22.
Miharihary toy ny vay ankandrina.
hery
23.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
24.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
25.
Tsy miady tsy miady ny kobay ankelika ihany.
hery
26.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
27.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
28.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
29.
Nanaonao foana ohatra an'ANDRIAMANITRA nanao voay
hery
30.
Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika
hery
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0213