Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
hery
Hampiditra ohabolana
91.
Toy ny ray aman-dreny : ny iray niteraka ny iray niampofo
hery
92.
Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika
hery
93.
Ny tenin-draiamandreny toy ny tsipak' ombalahy : raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina
hery
94.
Aza manao fo milafin-karena
hery
95.
Raha lany harena, lany haingo
hery
96.
Lany harena, lany haingo
hery
97.
Mirediredy toy ny andrian-dany harena
hery
98.
Ny be no avy, ny kely no mialoha làlana
hery
99.
Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
hery
100.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy
hery
101.
Aza ny hafohezan'ny andro no alaina, fa ny halavan'ny taona heverina
hery
102.
Maro ihany ny hazo, fa ny fary no mamy
hery
103.
Tsara raha mangetaheta ka mahita rano
hery
104.
Ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
hery
105.
Toko no tadiavina ka vato no hita
hery
106.
Antoandro faka ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka
hery
107.
Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady
hery
108.
Aza manao kamo be tenda
hery
109.
Mandehana dieny malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
hery
110.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
111.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
hery
112.
Lany andro am-piresahana ka tsy mitondra mody
hery
113.
Ny kamo ihany no ho sasatra
hery
114.
Vary iray no nafafy ka vary zato no nojinjaina
hery
115.
Hazo avo halan-drivotra
hery
116.
Tsy avelan'ny ela tsy ho antitra
hery
117.
Aza manao kofehy manara-fanjaitra
hery
118.
Izay hendry no atao Rangahy
hery
119.
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo
hery
120.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0138