Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
hery
Hampiditra ohabolana
121.
Aza manao kofehy manara-fanjaitra
hery
122.
Izay hendry no atao Rangahy
hery
123.
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo
hery
124.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka
hery
125.
Hanina anao no naleha, ka tora-bato no hita
hery
126.
Am-bavany malefaka, am-pony tsy tia
hery
127.
Ratsy tokoa ny lainga, fa ny mpandainga aza tsy tia azy
hery
128.
Izay be ditra be nenina
hery
129.
Ny ditra mahafaty, ary ny kiry mahavery
hery
130.
Raha tezitra, toy ny andriana, fa raha mianina, olona ihany
hery
131.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
132.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
133.
Mivoaka ho faty ohatry ny kakana
hery
134.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty
hery
135.
Ny maty aza te-ho maro
hery
136.
Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana
hery
137.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana
hery
138.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
139.
Ny vitsy lanin'ny vitsika
hery
140.
Izay be no basy
hery
141.
Olon-drery tsy mba vahoaka
hery
142.
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
143.
Ny hazo tokana tsy mba ala
hery
144.
Tsy misy mitolo-batana, fa izay melo-bava no meloka
hery
145.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
146.
Teny tsy azo mampihazohazo
hery
147.
Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
hery
148.
Raha tsy mahalĂ izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
149.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
150.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0157