Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
fiainana
Hampiditra ohabolana
121.
Androngy avy nangataka ka mody no mety
RIJA08
122.
Mirenireny ohatran`ny alika tsisy tompony
RIJA08
123.
Bongo maso misoron`afo ka tsy fantatra na lanin`ny setroka na malahelo
RIJA08
124.
Mindrana angady fahavaratra ka maniraka ny tompony ho any antsaha
RIJA08
125.
Mandeha ila ohatran`ny kiraron`i bemolahy
RIJA08
126.
Tanora mahita fotsim-bary ka arotsahy ihany no ao antsaina
RIJA08
127.
Ataovy toy ny dian-tana, todio ny lasa, banjino ny ho avy
RIJA08
128.
Akoho mitarika ganakely , ho tarihina toa pela-bava, ho ariana efa nanahirana
RIJA08
129.
Tsy ampy ketsa mivezivezy , very omby manara-morona
RIJA08
130.
Tambanivohitra nahita fiaramanidina ka na mafy aza ny fiainana tsy maintsy mitraka ambony ihany
RIJA08
131.
Ny mpilaza misy fa ny mpihaino koa mahay.
NtaoloZ
132.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085