Resaka nandeha tao amin'ny Facebook

mampiomé, dia inona hono no tena dikany
Lalaina Andriamahazo
 Lalaina ...
hahahaha azavao marina !!
Heriniaina Eugene
 Heriniaina ...
Io ve tsy mitovitovy amin'ny hoe manahaka ny tsy tokony hahahaka e :-)
Lalaina Andriamahazo
 Lalaina ...
manaha vary zany v?lool
Fahamarinana Maharitra
 Fahamarinana ...
mbola tsy henoko izany ohabolana izany raha tsy androany an !
Hery : izany tokoa ve ny dikany ? lalina izany an !mampieritreritra tanteraka !
Rondro Volantsoa
 Rondro...
zao dia ohabilana kosa ny sasany ao @ zany pejy izany ry hery ka manjary manimba ny tena ohabolan-drazana ? (mbola tsy nanam-potona nijereko aho aloha e :-P)
Heriniaina Eugene
 Heriniaina...
Ny ohabolana kosa tsy voatery hoe taloha foana e. Mba misy ohabolana moderina koa fa tsy hoe lasa ohabilana :-)
Rondro Volantsoa
 Rondro ...
hahahaha - misy dia mivilana tanteraka kosa le maoderina e ! Ny an'ny razana natao hisainana ny ohabolana manko fa misy ankehitriny dia natao hifamelezan ka manjary ohabilana fa tsy ohabolana intsony.
Fanomezana Rra
 Fanomezana...
Ka lay ohabolana Ntaolo nge vitsy ny mahay azy e no sady mila mandinika lalina matetika vao mahatakatra ny tena tiany ambara, indraindray aza mila mpanazava mihitsy. Nenà ndray dia tena misy mampimé anà mitsy reny ohabolana moderna ireny.
Heriniaina Eugene
 Heriniaina Eugene
Sady ny gasy tsy Ntaolo fotsiny. Misy ohabolana moderina tena mivilana dia mivilana kanefa tsy manimba ohabolana izany fa vao mainka mam-panankarena azy.
Tahaka ny teny ihany io e. Mivoatra ny teny.
Ny tsy tokony hohadinoina fotsiny dia hoe misy koa ny ohabolan'ny Ntaolo... dia izay no tena tanjona. Ezahina hapetraka ao amin'io takelaky ny ohabolana.org io avokoa na ny taloha izay hany tadidy, sy izay vaovao.
Fanomezana Rra
 Fanomezana Rra
Ireo tanora mpiakabary ampanambadiana ireny no tena manana sy mahavatra mamorona ohabolana moderina tena mahafinaritra ny sofina mihitsy ny mihaino azy, asa hoe manana ireo olona ireo ve isika any anaty serasera fa mety vao maika mahaliana tokoa ny mitsidika io takelaka io.
Kestion : Izay te-hametraka ohabolana ao ve dia tsy maintsy manazava ny dikany?
Rondro Volantsoa
 Rondro Volantsoa
ka izay le ohabolana mahafinaritra sofina izay dia ekeko fa hoe ohabolana fa ny sasany no antsoiko hoe ohabilana :-P
Heriniaina Eugene
 Heriniaina Eugene
Fanomezana> Tsy voatery hanome fanazavana ka. Tsy misy fametrahana fanazavana rahateo ao. Fa afaka mametraka hevitra momba ilay ohabolana ianao, dia ao no hanazavanao azy :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119