FILAZANA
Faly izahay Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara FI.MPI.MA. Sampana Frantsa milaza aminareo fa hanomboka amin’ny alatsinainy 3 oktobra 2011 izao ny fampianarana kabary sy fombam-pitenenana karakarain’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa mandritry ny taom-pianarana 2011 -2012.
Fotoana : manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva (19h30).
Toerana : Foyer Universitaire malgache (FUM) 1, avenue Léon Eyrolles 94 230 CACHAN.
Saran’ny taom-pianarana : 50 € (azo aloa tsikelikely).
Fisoratana anarana
Miantso
- ny Filohan’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa Ramandraivonona Dera 06 09 04 40 67
- na ny Filoha Mpanampy Rakotomavo Tafika 06 72 01 84 10.
Na mandefa mailaka amin’ny fimpima.frantsa@gmail.com
“Izay tia ny tenindrazany , tia ny tanindrazany.
Kabary hery sy haren’ny teny malagasy. Kabary antsika jiaby”
Mirary soa lalandava ho anareo sy ny ankohonanareo
Ramandraivonona Dera
Filohan’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa.
06 09 04 40 67
Mba ampitampitao amin’ny fianakaviana, tapaka sy namana ity filazana ity azafady. Misaotra tompoko.

