Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
Sokajy: akoho - atody - sofina
jentilisa 22/09/2005 14:28

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

sylvoalias ( 03/04/2013 11:51)
Sitraka leretsy , fa samy manana ny marina daholo,
Mifono hevitra lalina tokoa ity izy,betsaka koa ny hevitrta azo ampidirina mba hiadian-kevitra.
Ny akoho mikotrika dia ny ray amandreny,na ireo niteraka sy nikolokolo,
ny mpividy na ilay mpanakobana ampoto-tsofina kosa dia ny sedra sy ny onjan'ny fiainana izay tsy maintsy atrehina na setrain'ny atody tsirairay avy.....
tsy voatery ho foy daholo anefa ireo atody ,ny sasany ho foy ho zaza izany hoe tanteraka ny fanirian'ny ray amandreny ,reharehan'ny tanana nihaviany....tsiriritran'ny manodidina..
Ireo atody izay tsy foy kosa dia lamoka: izany tsy misy ilana azy amin'ny fiarahamonina.Henatra sy baraka hoan'ireo niteraka.....faniratsiran'ny manodidina.
Ny adalan'ny tena anefa tafian-damba fa ny adalan'ny hafa kosa ihomehezana... ary aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana...sy ny hoe tiako ny ahy na ratsy aza....na ny hoe tano ny azo fa sarotra ny mila....nefa na mamy aza ny zanaka rehefa manaiki-nono akifika....De aaiza ihany fa manalasala toy ny vozon-kena ary anivo tsy vondraka toy ny avokavo-kena....hatono tsy mitsetsatsetsa andrahoina tsy mitera-menaka....
Sylvoalias
agmar ( 18/12/2007 09:15)
Niaritra ny mafy ireo reniakoho mikotrika atody ireo. Manantena anefa izy fa ho akoholahy (Izany hoe: ho ilay tena tsara)ny zanany,araka ny fanamafisan'ny Mpitily rahateo.Faniriana ihany izany, fa ny tena zava-marina tsy azo lavina, rahefa vita ny fitiliana natao, dia hoe: izay mikobana dia efa lamokany, ary izay tsy mikobana dia mety ho lahy, mety ho vavy.
jentilisa ( 22/09/2005 14:33)
Fanaon'ny olona ny manontsana ny atody eny am-poto-tsofiny hihainona na efa lamokany na mety ho foy ireny, rehefa mividy koa isika dia heoina sao efa lamokan'atody toy ny rano no heno fa tsy mafonja fonja ilay izy.

Eto koa dia azo heverina ny hoe izay mikiaka (mijaly) no tena vanona fa izay mikobana (mirehareha) tia sehoseho efa lamokany araka izany ihany. Io koa moa tonga amin'ilay fiteny hoe ny tapany ihany no mikobana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086