Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Akohokely
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Akohokely
Hampiditra ohabolana
-29.
Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
-28.
Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery mipaoka akohokely
yveratsimb
-27.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
-26.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
-25.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
-24.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
-23.
Akohokely lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
-22.
Toa faly sahirana toy ny akohokely hitsipazam-potsim-bary
niryna
-21.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
-20.
Dedaka tonga rafozana, akohokely ka indramam-pamaky.
aivetinakely
-19.
toy ny akohokely misotro rano, ka ny andriamanitra no andrandrainy.
latina
-18.
Faly sahirana toy ny akohokely tsipaza-potsimbary
FRanaivo
-17.
Faly sahirana toy ny akohokely notsipazam-potsimbary.
jentilisa
-16.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
-15.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1334