Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fady
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy ny tany no fady, fa ny vavan'ny olona
yveratsimb
-28.
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-27.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
-26.
Aza toy ny rongony, ka sady mpanaja no mpamoafady.
soanja
-25.
Fady mitondra fanilo antoandro fa mahabobo.
soanja
-24.
Fady ny mipetraka an-tokonana fa mampitokona ny soa tokony hiditra sy ny ratsy tokony hivoaka.
soanja
-23.
Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka.
aivetinakely
-22.
Fady fotsy toa oman-dronono, tsy mainty milalao saribao, fomba fiteny raha hialatsiny ny mpikabary dia azo raisina ao anaty voabolana io, ary mampiango azy mihintsy ary rehefa tonga ny ainga eo amin'ny lafiny kabary
RTsongy
-21.
Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka
niryna
-20.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
-19.
Rangahy anilan'ny sinibe, ka ho fatin'ny aza fady
latina
-18.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
-17.
Aza fady fa mateti-piavy toa ny sotrokely
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115