Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lela
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lela
Hampiditra ohabolana
-29.
Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody
layaunne
-28.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
-27.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
-26.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
-25.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
-24.
Hilela-maina aza ataony, ka maika fa molotra misy tantely.
niryna
-23.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
-22.
omby mhia tsy lelafin'ny namany.
hussein
-21.
Na fy aza ny amalona , ny lela tsy atao jono
aivetinakely
-20.
Ny (...n') alika mahia tsy lelafin'ny namany
josla
-19.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
-18.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
-17.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
-16.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
soanja
-15.
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileladelaka
kiriah
-14.
Ny haja tsy fivarotra, ny lela tsy fatao jono, fa ny fitia famboraka.
aivetinakely
-13.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
-12.
Mivadibadika sahala amin'ny lela may, ny eny anio tsia rahampitso.
aivetinakely
-11.
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana
niryna
-10.
Mivalibaliky karaha lela may.
sylvoalias
-9.
AVadiho im-pito ny lela vao miteny
niryna
-8.
atitra be vazivazy ka ambakain'ny lelany
orlando405
-7.
Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
niryna
-6.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
-5.
Aza mahay roa tahaka ny lelan'omby, ka sady ambava no ambody.
aivetinakely
-4.
Aza manao lelan'omby sady ambava no am-body.
aivetinakely
-3.
Aza mahidy toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tànana.
aivetinakely
-2.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
-1.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
0.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0166