Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mafy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mafy
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny hazo no be doladola, ny rivotra no tia tositosy. Ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana
Azrael666
-28.
Ataovy toy ny kitram-pirenena ka samy hiady mafy ho an'ny fandresena
Kiady KYLIAN
-27.
Boka mihinan-kitoza : ny fihinanana no lavorary, fa ny manala kaka no ady mafy.
yveratsimb
-26.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
-25.
Izay mamafy rivotra mijinja ny fofony.
Laaris
-24.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
-23.
Andevo lahy lasan-davitra, ny asa mafy ny fo manin-kavana
kiriah
-22.
miharitra ny mafy ohatra ny volombody tokana aozongozin'ny hetotra !!!
glady
-21.
Mafy orina tahaka ny vatolampy ny fitiavana, ka tsy azo hozongozonina.
aivetinakely
-20.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
-19.
Voady natao tamin'ny fo, ka vonona hiaina azy ampitsikiana na mafy aza.
aivetinakely
-18.
Antsan'ny mpandresy ka mampanadino ny ady mafy natrehina.
aivetinakely
-17.
Na mafy aza ny hanoanana, tsy hitsako alohan'ny vazana.
aivetinakely
-16.
Aza mafy fo tahaka ny vato, ka ny kely avy no taha-dreny
aivetinakely
-15.
Miasa mafy tsy hitan-drafozana, ka alao ny vadiko hitantara aminy.
aivetinakely
-14.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
-13.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
-12.
Izay mamafy rivotra mijinja tadio.
aivetinakely
-11.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
-10.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
-9.
Izay olona hanarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana
niryna
-8.
Mety ho diso fanantenana raha tsy nahomby saingy voa mafy kosa raha tsy nanao ezaka
niryna
-7.
Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto.
aivetinakely
-6.
aza manao ombilahin'Ihosy: ampiadin-tsy miady, ampihosen-tsy mihosy, hanin-kena mafy hena, avela ihany, manoto ny madinika.
latina
-5.
izay namafy rivotra dia hijinja tadio
ampitiavanabe
-4.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
-3.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
hery
-2.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0236