Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsena
Hampiditra ohabolana
-29.
Antidahy mangetotra antsena, laza no tadiavina, henatra no azo.
Darystide
-28.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
-27.
Mivanivany toy ny alika mitsena voatira
maier
-26.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
-25.
kely aina ka tia ady antsena
kiriah
-24.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
-23.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
-22.
be tenda miantsena, ny tsy lasa an-karona alefa an-kibo
bobone
-21.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
-20.
Ftiavan-tanindrazana no anetsenana ny hambo-mpo
aivetinakely
-19.
Badolahy fisadoha, ka ny hafetsena sisa isintonam-behivavy.
aivetinakely
-18.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka amboa.
aivetinakely
-17.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
-16.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
-15.
Mpiasa be voton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena
rtol
-14.
Badolahy mian-tsena ka ny siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
-13.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
-12.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
-11.
Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
niryna
-10.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
-9.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
-8.
Aza miady vitana amin'akoho fa raha hiantsena aza izy lolohavina
FRanaivo
-7.
Manira-tena toy ny alika ho any an-tsena
mikavao
-6.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
-5.
marary lava tahaka ny ahitra an-tsena.
jentilisa
-4.
Manao kibo an-tsena
JMR
-3.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
-2.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
-1.
Hiragasin'ambany tsena ka izay resy tsy akoraina izay mandresy tsy hobiana!
vale
0.
Toy ny varo-jabo an-tsena ka samy midoka ny azy ho masaka
McFy
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177