Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
bibikely
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny mpanao pĂ´litika hono tahaka ny hao, izy lolohavina indray no manaikitra
rhtiana
-28.
voalavo misangy andavenona ka ditsoky ny nataony ihany
fanantenanahadji
-27.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
-26.
Maro ny valala fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby fa ny sada no meva.
soanja
-25.
Zana-valalagna tsy adigno lanitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-24.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
-23.
Safo sioka mampandry adrisa.
soanja
-22.
Mandady ny trambo.
soanja
-21.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
-20.
Fandiorano, ka hisitritsitrika dia izy ihany, hisehoseho dia izy ihany.
soanja
-19.
Adin-tsikidindrano ka misaraka tsy misy maratra.
soanja
-18.
Tsikovo-dririnina, ka lalina fisaina, fa ho ritra ny rano.
soanja
-17.
Mihinan-dany roa toy ny dinta ka mampirafy raharaha.
soanja
-16.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
-15.
Parasy no mivelona amim-bahiny.
soanja
-14.
Volongita manafin-kao.
soanja
-13.
Tsy ny fangilohilon'ny voantay na ny fahavasoky ny voangory.
soanja
-12.
Ny fitiavam-boangory tsy anenjeham-boantay.
soanja
-11.
Tsingaradona an-tanimena ka tsy matavy fa sesiky ny tsinainy.
soanja
-10.
Ambolo bitaka, ambolo matavy, zava-tsy hay tsy ibitabitahana.
soanja
-9.
Misambom-balala ho anjanak'olona.
soanja
-8.
Taitra tampoka toy ny nokakerin'ny fihitra.
soanja
-7.
Ny lohasaha fandrianny moka.
soanja
-6.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
-5.
Very amin'ny adin'angely ny adin'ombalahy.
soanja
-4.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
-3.
Fikitra mampiady ny angely.
soanja
-2.
Tsy miady ny angely raha tokam-pilana.
soanja
-1.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
0.
Angavamena, ka samy mitsilo ny lalan-kalehany.
soanja
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249