Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
havana-1
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
-28.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
-27.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
-26.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
aivetinakely
-25.
Aza ariana ny havana rehefa lasa ambony
aivetinakely
-24.
Basy atifi-kavana, tsy afenina fa arangaranga.
aivetinakely
-23.
Havan-tiana tsy iaraha-monina.
aivetinakely
-22.
Mahita anay lavin-kavana ka miady mena masoandro.
aivetinakely
-21.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
-20.
Ataovy toy ny fihavanam-bary ka antsaha tsy mifanary antanaty tsy mifandao
herikely
-19.
Havan-tiana tsy iaraha-monina
herikely
-18.
Mahita anay lavi-kavana ka manati-kabary mena masoandro
herikely
-17.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
-16.
aza manao havan'ny lahy sy havan'ny vavy
zouzou
-15.
Aza atao filan-draha tsy mahita na fiatontana raha resy ny havanao.
jentilisa
-14.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
-13.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
-12.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
-11.
Ny havan-tiana tsy iaraha-monina
hery
-10.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
-9.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
-8.
Ny havana ihany no manavangavana
hery
-7.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
-6.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
-5.
Maty tsy alevin-kavana toy ny amboa
hery
-4.
Mafanafana ohatry ny ratsy ataon-kavana
hery
-3.
Lahiantitra manin-kavana : hitsinjo, tsy mahita, handeha tsy afaka
hery
-2.
Izay mahavangivangy tian-kavana
hery
-1.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
0.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474