Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
ontsy
Hampiditra ohabolana
-29.
Efa tsara vina (études) ohatran'ny fasan'ny mpamosavy.
ontsy
-28.
Ampigam-piharabolamena : ka raha mitraka vonihahitry ny lanitra, raha miondrika fahazavan’ny tany
ontsy
-27.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
-26.
Tahaka ilay nividy Ondrilahy ka ny hofany indray no jerena mialoha
ontsy
-25.
Rasa akohon’ny mpianakavy ka ny lehibe manana ny azy, ny tanora tsy very anjara ary ny kilonga tsy diso tandrify.
ontsy
-24.
Ampingam-pihara-bolamena sy tahonanganalam-bolafotsy : izay maharesy iravahana, izay mananda isampinana
ontsy
-23.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
-22.
Efa ho lava tahaka ny lakolosin'i Faravohitra !
ontsy
-21.
Mitsangan-kitondra ny tenin'Andriana tahaka ny tompomenakely voairaka.
ontsy
-20.
Mitsangan-kamiratra tahaka ny lahinjiro.
ontsy
-19.
Mitsangan-kandindona tahaka ny andrintany.
ontsy
-18.
Mitsangan-kamingana tahaka ny vatan-kazo.
ontsy
-17.
Malaza ho vy nefa tsy mahafolaka zozoro.
ontsy
-16.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
-15.
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
-14.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
-13.
Anaran-tsy very tahaka ny anjelimaintin'Anosy
ontsy
-12.
Manan-jara mantsy ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
-11.
Faniriana ny an-dRaivotatamo : raha mba vadiko, hono, Rainizafinime !
ontsy
-10.
Ny tsiny dia tahaka ny valan'omby tomerin-draketa : ka asakasak'izay te hankahatra loza, fa raha tsy hivoa-drà amin-tsilo aza tsy hamelan'i Menasanga marani-tandroka.
ontsy
-9.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0357