Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
zouzou
Hampiditra ohabolana
1.
aza manao hata-dava ohatran' ny saka
zouzou
2.
manao vy very ny ainy
zouzou
3.
valala an-tany mena : na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
4.
tsy mangalatra manana adidy ohatran'ny fangala-bola
zouzou
5.
Boka mihalo-poza : mipaka ihany fa tsy mitondra
zouzou
6.
papango amam-borona : iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
7.
totozy sy voalavo : iray volo, fa tsy iray raharaha
zouzou
8.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
9.
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava
zouzou
10.
ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
11.
Mpiandry omby volavita : tsy tompony fa mpamerin-doha
zouzou
12.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
13.
toy ny alika miandry embok'akondro : andrasana, tsy latsaka ; ilaozana toa hena
zouzou
14.
Faly malahelo toy ny manantena handova
zouzou
15.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
16.
Lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
17.
Toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
18.
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
19.
ny hena-maso tsy mahavelona, fa ny hena masaka no mahavelona
zouzou
20.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
21.
Ny vola toa ny vahiny, tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
22.
ravinkazo nanintsana, ka ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa no ampanirina
zouzou
23.
Ny lasa tsy mba miverina
zouzou
24.
Aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
25.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
26.
Raha adala loholona, dia adala ny vahoaka
zouzou
27.
adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona
zouzou
28.
Tafasiry amin'ny adala, ka ny lasa ihany no averimberina
zouzou
29.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
30.
Raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0179