Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fanao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fanao
Hampiditra ohabolana
1.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
2.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
3.
Na manan-karena tahaka ny inona aza, tsy fanao ny manasa tongo-dronono, na manontsam-bava tantely.
aivetinakely
4.
Na dia tia fahadiovana manao ahoana aza, de tsy fanao ny manasa ravitoto.
aivetinakely
5.
Na maika tahaka ny inona aza, tsy fanao ny mitsako alohan'ny vazana, na matory alohan'ny tsihy.
aivetinakely
6.
Na maika tahaka ny inona aza dia tsy fanao ny mitetika ravitoto.
aivetinakely
7.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
8.
Mpivaro-drano tratr'orana ka voan'ny asa fanaony
jentilisa
9.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3952