Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saingy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saingy
Hampiditra ohabolana
1.
"Rehefa mety ny atao, na ny sahobakaka aza mampidi-drano an-tatatra, saingy rehefa tsy mety kosa, na ny ranon'apango misy voay"
ravelobe
2.
Akanga mandalo vorombola, ka mipoitra tsanga saingy ambanian'ny olona.
soanja
3.
Varotry ny boka, manintona saingy manalasala.
aivetinakely
4.
Ratsy anarana tahaka ny "hala" saingy famantarana andro tsara rehefa miasa.
aivetinakely
5.
Maintso mangiloilo tahaka ny veromanitra saingy mora tapaka.
aivetinakely
6.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
7.
Hiran'ny mpitendry lokanga, tsara ihany saingy vilam-pijery.
aivetinakely
8.
Mpitondra manao tohatra fiakarana, tsy araky ny fitsaràna saingy hotsarain'ny tantara
aivetinakely
9.
Afaka hividianana alika tsara ny vola, saingy ny fahatsorana sy ny fifaliana no mampa-tonga azy hanilikilika ny rambony.
niryna
10.
Tsy misy tsy fantatr'Atra saingy minia mihondrika izy
niryna
11.
Mety ho diso fanantenana raha tsy nahomby saingy voa mafy kosa raha tsy nanao ezaka
niryna
12.
Tsy misy tsy fantatr'andriamanitra, saingy minia miondrika izy
latina
13.
saingy nahita ny akanga tsara soratra ve ka manary ny akoho taman-trano
antsiry
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0772