Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
rafotsibe
Hampiditra ohabolana
1.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
2.
Rafotsibe leon-dran-kena ka tsy te hijery tanimena.
soanja
3.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
4.
Rafotsibe manenjin-tsintsina, ka izaho ety, izy eny, izaho ery, izy ety.
soanja
5.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
6.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zavatra boribory...!
sylvoalias
7.
Rafotsy be leon-trandraka ka matahotra ny vodin-kifafany.
sylvoalias
8.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
9.
Rafotsibe maty andron'andriana sady tsy aty no tsy any Ambondrom-be.
aivetinakely
10.
Rafotsibe matahotra sokina, ka voditrongo aby ka handosirana.
aivetinakely
11.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory.
aivetinakely
12.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
13.
Rafotsibe nisambo-balala, ny valala tsy azo, ny andilana tapaka.
robinhood
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.116