Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
361.
Sikidy mila voa tsy hary mampandihy ny marary
jentilisa
362.
mifohaza dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
jentilisa
363.
kanto ny raozy fa misy tsilony, mamy ny fary fa misy faikany
jentilisa
364.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
365.
nandalo ramaka may ny tanàna
jentilisa
366.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
367.
Avo ny lanitra ka tsy takatro
jentilisa
368.
aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka
jentilisa
369.
mandeha ila tahaka ny kiraron'Ibeminaha
jentilisa
370.
nitady toko ka sendra vato, naniry zaza ka tera-dahy
jentilisa
371.
indro kely hoy ny mpandrafitra
jentilisa
372.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
373.
Tsy mino maty raha tsy avy mandevina
jentilisa
374.
ny nantenain-kanirina no nampivandravandra
jentilisa
375.
ny anongotsongoana ny maty, tahotry ny handevim-belona.
jentilisa
376.
tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka.
jentilisa
377.
aza ho toy ny tsipolotra, antitra vao tia sangy
jentilisa
378.
Antitra vao be ny tanora
jentilisa
379.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina ny mandresy tsy hobiana.
jentilisa
380.
Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.
jentilisa
381.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
382.
Tano ny azo fa sarotra ny mila
jentilisa
383.
NY akoho no tsy naniry nify, tsy nahandry ny andro zoma
jentilisa
384.
mandefona ivoho tahaka ny sakaiza manody
jentilisa
385.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
jentilisa
386.
Valala tsy azo tsy atolo-jaza!
jentilisa
387.
Aza teren-ko masaka toa voalobo-jaza.
jentilisa
388.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafà ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
389.
Ny olombelona tsy main-tsy lena
jentilisa
390.
Trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra
jentilisa
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146