Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe dihy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
dihy
Hampiditra ohabolana
31.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
32.
Be elanelana hoatran'ny samy be kibo miara-mandihy
JMR
33.
Manararaotra hoatran'ny olon-droa mandihy maty jiro
JMR
34.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
35.
Sikidy mila voa tsy hary mampandihy ny marary
jentilisa
36.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
37.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
38.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha
vale
39.
Aza mandihy am-piringa toa vorondolo
Fanja1
40.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3264