Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fiainan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fiainan
Hampiditra ohabolana
31.
Hazavao amin'ny jironao androany ny fiainanao rahampitso
niryna
32.
Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
niryna
33.
Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
niryna
34.
Tandra vadin-koditry ny fiainana ny fahazarana.
aivetinakely
35.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
36.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
37.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
38.
Ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana dia ny anaovanao ny zavatra heverin'ny olona tsy ho vitanao
niryna
39.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
40.
Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
41.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
42.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
43.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao tantsirambina no vaky loha.
ranjalia
44.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
45.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
46.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
47.
Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
ftma
48.
Atero ka alao ny fiainana
Vetso
49.
Ny vola no hozatry ny fiainana
chipie1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0163