Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fiainan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fiainan
Hampiditra ohabolana
31.
Ny fakanao tahaka ny fiainan'ny hafa no nitarika anao hanana fiainana tsy nieritreretina
niryna
32.
Hazavao amin'ny jironao androany ny fiainanao rahampitso
niryna
33.
Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
niryna
34.
Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
niryna
35.
Tandra vadin-koditry ny fiainana ny fahazarana.
aivetinakely
36.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
37.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
38.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
39.
Ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana dia ny anaovanao ny zavatra heverin'ny olona tsy ho vitanao
niryna
40.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
41.
Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
42.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
43.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
44.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao antsirambina no vaky loha.
ranjalia
45.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
46.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
47.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
48.
Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
ftma
49.
Atero ka alao ny fiainana
Vetso
50.
Ny vola no hozatry ny fiainana
chipie1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0291