Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fiainana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fiainana
Hampiditra ohabolana
31.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
32.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
33.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
34.
Ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana dia ny anaovanao ny zavatra heverin'ny olona tsy ho vitanao
niryna
35.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
36.
Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
37.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
38.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
39.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao tantsirambina no vaky loha.
ranjalia
40.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
41.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
42.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
43.
Atero ka alao ny fiainana
Vetso
44.
Ny vola no hozatry ny fiainana
chipie1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0587