Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fiainana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fiainana
Hampiditra ohabolana
31.
Tandra vadin-koditry ny fiainana ny fahazarana.
aivetinakely
32.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
33.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
34.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
35.
Ny tena zava-dehibe amin'ny fiainana dia ny anaovanao ny zavatra heverin'ny olona tsy ho vitanao
niryna
36.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
37.
Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
38.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
39.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
40.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao antsirambina no vaky loha.
ranjalia
41.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
42.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
43.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
44.
Atero ka alao ny fiainana
Vetso
45.
Ny vola no hozatry ny fiainana
chipie1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0164