Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe loha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
loha
Hampiditra ohabolana
61.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
62.
Tiavo ny tenanao aloha dia manaraka ho azy ny zavatra rehetra
niryna
63.
Izay tonga aloha tompon-dasy.
soanja
64.
Akanga lahy miady tsatsangotra: sola loha foagna. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
65.
Lohan'aomby aroe tsy tandry vilagny araiky. (Ohabolana Antakarana)
soanja
66.
Beloha mandeha an'ady ka mitonon-tena amin'ny tsy antony.
soanja
67.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
68.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
69.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
70.
Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra?
soanja
71.
Tsara loha ka endrehin-drandrana.
soanja
72.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
73.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
74.
Aleo ravim-bohoimanga tsy arahin-dromoromo,toy zay hanim-pitoloha arahin-datsa
andrebabe
75.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
76.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
77.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
78.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
79.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
80.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
81.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
82.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
83.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
84.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
85.
Ny lohasaha fandrianny moka.
soanja
86.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
87.
Na handeha mbamin'ny lohako aza tsy ho vazaha mihitsy aho rehefa tsy te ho vazaha.
soanja
88.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
89.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
90.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra ny loha sy ny vodiny
Ratianakel
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0283