Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2221.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
2222.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
2223.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
2224.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
2225.
Ny vodi-tsobika aza manan-tandrify
niryna
2226.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
2227.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
2228.
Vavaolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
2229.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
2230.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
2231.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
2232.
Izay mivoaka iray babany avokoa
niryna
2233.
Ny sakay no mahery an-tanin'olona
niryna
2234.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
2235.
Izay sahy maty ihany no mifono lamba-mena
niryna
2236.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
2237.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
2238.
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky
niryna
2239.
Tsy afa -miala toy ny voalavo latsaka ambilanibe
niryna
2240.
Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no mimonjimonjy
niryna
2241.
Mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
2242.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
2243.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
2244.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
2245.
Aza ny fonon'ny boky no jerena fa ny votoatiny hitsarana azy
niryna
2246.
Mivoaka ho faty toy ny kakana
niryna
2247.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
2248.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
2249.
Tsy mena-mivadika tahaka ny andro ririnina
aivetinakely
2250.
Sasa-miaina tahaka ny saka, mamba matory ka alàm-bolombava.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
73
74
75
76
77
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1993