Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2221.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
2222.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
2223.
Raha torimaso, hono, no tsy taitran'amponga, fohazy sao nodimandry, ary raha teny aman-kilontsaina no fonosina tsy hivoaka, tandremo fa sao very hasina
aivetinakely
2224.
-tsarovy fa ny lainga dia aretina mikiky ny tokatrano.
tendry77
2225.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaon-tao foana hanala-baraka.
sylvoalias
2226.
Trano bongo misy ronono ka sarotra ny atao hoe malahelo.
sylvoalias
2227.
Boloky lahy homam-boa-tseva ka mamy ny ato fy ny aroa.
sylvoalias
2228.
Ny ana-dray aman-dreny hono hoe toy ny tsipak'omby lahy, ka raha mahavoa mahafaty fa raha tsy mahavoa kosa mahafanina.
sylvoalias
2229.
Sempotra amin'ny zavatra tiany toy ny mpandihy andavenona.(ka aleo maty toy izay hiala maina).
sylvoalias
2230.
Ny vehivavy tsy mba very mandeha.
aivetinakely
2231.
Aza ariana ny havana rehefa lasa ambony
aivetinakely
2232.
Aza atao fitia varavarana aho, tiana ihany fa atositosika, na atao fitia ranotrambo be fiavy fa mora ritra, na fitia paraky ka rehefa matsatso arora, fa ataovy fitia lamban'akoho ka maty vao ialàna
aivetinakely
2233.
Izay tia mahafoy, ny tiana amoizana ny tsy foy
aivetinakely
2234.
Ny vano no fisa-doha matory amorom-parihy, ny faraka no kely andilana ny isan-jato no tsy zaka.
aivetinakely
2235.
Ny kary no mangalatra ka ny saka no voatapa-drambo.
aivetinakely
2236.
Tsy misy mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry
aivetinakely
2237.
Izay tia mahalefitra, fa nyfandeferana ela loatra mitarika fisarahana.
aivetinakely
2238.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
2239.
Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana.
aivetinakely
2240.
Aza manao tokatranom-boalavo ka samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
2241.
Sasa-miaina tahaka ny voalavo, saka matory ka alàm-bolom-bava.
desirelyaime
2242.
Dorobok'amboa maro mpahalala fa ny isafelehan'ny rambony no tsy fantatra.
desirelyaime
2243.
Mora ny miteny noho ny manantanteraka.
niryna
2244.
Samy ho tsarain'Atra amin'ny ataony ny tsirairay
niryna
2245.
Ny asa natao an-kira, toa vita toa tsy natao
niryna
2246.
Aza mitaraina tana-miepaka fa aleo ny asany no hitsarana azy
niryna
2247.
Raha miandry ny andraso lava hianao, tsy ahavitana na inona na inona
niryna
2248.
Afaka hividianana alika tsara ny vola, saingy ny fahatsorana sy ny fifaliana no mampa-tonga azy hanilikilika ny rambony.
niryna
2249.
Manahirana ny mamoha ny mpianankavy indrindra ny andro maraina.
niryna
2250.
Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny vary ihany koa.
niryna
Voalohany
Mialoha
73
74
75
76
77
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.044