Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tokan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tokan
Hampiditra ohabolana
1.
Akoho tokan'anaka, avo sasaka vao halan-tompo
hery
2.
Rava tokantrano rava harena.
aivetinakely
3.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
4.
Ny Tondro tokana tsy mahazo hao
narijean8
5.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
6.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
7.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
8.
Andevo tokana an-trano, raha tsy maty voky, maty iraka!
mianjy
9.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
10.
Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky.
soanja
11.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
12.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
13.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
14.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
15.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
16.
Hazo tokana an-kadilanana, ka tenain-drivotra irery.
soanja
17.
Lainga marivo tototra ka hehezin ny akoho tokan anaka
kiriah
18.
Ra Malina aza mifehy hazo tokana
kiriah
19.
miharitra ny mafy ohatra ny volombody tokana aozongozin'ny hetotra !!!
glady
20.
Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy.
aivetinakely
21.
Izaho angaha voangaly ka ho faty an-kazo tokana
niryna
22.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
23.
mpanefy tokan-tena ka sady mifofotra no mively vy
bobone
24.
Voangaly tsy maty amin'ny hazo tokana ny aty, ka mahita foana vao mivoaka ny trano.
aivetinakely
25.
Ny voangaly no maty amin'ny hazotokana fa ny lehilahy tsy maty amin'ny ampela iray.
aivetinakely
26.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
27.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
28.
Ny tokan-trano tsy ahahaka
niryna
29.
Aza manao lainga marivo tototra ka ahelin'ny akoho tokan'anaka
niryna
30.
andevo tokana amin'andriana :raha tsy matin'iraka, maty voky.
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0426