Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe derain
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
derain
Hampiditra ohabolana
1.
Aza te ho deraina toy ny saka; ny tay totofana nefa ny vody tsy mifitra
leonniemada88
2.
Tia ho deraina toa olotra, ka any anaty tay no manao akiletika
lehsabotsy
3.
Te hoderaina ohatra ny saka ka rora no anasana tava
hanta2
4.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina.
2N.E
5.
te ho deraina otran'ny olitra kely ka ,any anaty tay avy no manao akisitrika
kouily
6.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
7.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
8.
Androngo milanja lolo, ka tsy ny hohanina fa ny hoderain'ny hafa.
soanja
9.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
10.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
11.
Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy.Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no ho deraina
niryna
12.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
13.
te-hoderain'ny goaika ka mamboly voanjo ririnina
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8891