Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe entina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
entina
Hampiditra ohabolana
1.
Mangidy andro matetika andrenesana hoe marina entina mamadika ny marina
ramarosonfanantenanafrancky
2.
Ataovy toy ny fitiavan'ny vitsika, ny entina mavesatra nefa ny tena bitika
petakasoa
3.
Ny teny toy ny voantsilo tsy afa-day: mamy fa sarotra entina
rainizao
4.
Sarotra entina toy ny rafoza be tsiny,omena ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
5.
Sarotra entina toy ny rafoza. be tsiny,ome.na ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
6.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
7.
Ganagana entina amin'ny tendany.
soanja
8.
Todian'ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra.
soanja
9.
Tsy ravoravo natentina fa tandra vadin-koditra.
soanja
10.
Mpihaza vao sendra sora ka hoentina toa totozy, havela toa trandraka kely.
soanja
11.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
12.
Mitondra entina hoatra ny tongotra
niryna
13.
Tsy mba vorombazaha na akanga amidy aho ka entina amin'ny sangany
niryna
14.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
15.
Ny fahadisoana dia anisany lalam-piainana nahavoa indray mandeha ka ho entina mandra-piaina
niryna
16.
Toy ny atodin'akanga, ka avela ahafaty raibe, entina ahafaty renibe
niryna
17.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
18.
Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, Tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
latina
19.
Tsintsina mitondra vonim-bero ka ny eran'ny vava no entina
mbelo
20.
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0321