Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fahendrena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fahendrena
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
2.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
3.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
4.
Raha tsy manana fahendrena ny mpitondra dia hijaly ny firenena,fa raha ny mpanolon-tsaina kosa no tsara dia ho afaka ny tahotra
niryna
5.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
6.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
7.
Sahona miatrika bibilava, tsy hery fa fahendrena arahin-tahotra.
aivetinakely
8.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
9.
Rehefa antitra dia manoro fahendrena, rehefa tanora dia mandray ilay fahendrena.
niryna
10.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
11.
Ny fahendrena ve ? Minia mitsiky raha mitomany.
niryna
12.
Ny fahendrena dia aren-tsarabidy ka tsy misy na iray aza afaka mangalatra azy
niryna
13.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
14.
Ny tsorakazo sy ny hanatra no manome fahendrena
niryna
15.
Raha soa tian-ko tamana hidio fahendrena mba tsy hitsoaka
Moundzee
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0597