Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hoatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hoatra
Hampiditra ohabolana
1.
Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody
layaunne
2.
"Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"
vonjygildas
3.
"aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"
tenymamy
4.
Diso Fanantenana hoatran'ny Makorelina bevohoka, vola no notadiavina ka zaza no azo
zogd
5.
saro-tadiavina hoatran'ny aretin-jaza ny marina
manyng2017
6.
Tsy misy zavan-tsy zaka mihoatra ny fanambadian-tery setra.
aivetinakely
7.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
8.
Lany hatoka hoatra ny akoholahy matin'ady.
aivetinakely
9.
Manjilajilatra hoatra ny feo vantony.
yveratsimb
10.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
11.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
12.
Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka
danbal
13.
Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka
niryna
14.
Mitombo an-dalana hoatra ny dian'andriana.
niryna
15.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
16.
Manahirana hoatran'ny filaina mihenjana vao maraina, enti-mihohoka maharary, enti-mitsilany manainga bodofotsy!
tomms
17.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
18.
Mihanton-kariva hoatra ny salakan'Amboatany.
soanja
19.
Manana amby tsy ampy, hoatra ny sola vaohina.
soanja
20.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
21.
Maina tsy azo diasana hoatra ny fia-parin'andevolahy.
soanja
22.
Mimenomenona hoatra ny ampelam-barotra.
soanja
23.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
24.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
25.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
26.
Rafotsibe leo trandraka ka matahoatra vodi-kifafa
melumanga
27.
Mitondra entina hoatra ny tongotra
niryna
28.
Miadan-dratsy hoatra ny boka may trano.
aivetinakely
29.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
30.
Ny trozona foana no atao fanoharana, fa ny olo-tsy miantra de mihoatra ny trozona.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0998