Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lamosina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lamosina
Hampiditra ohabolana
1.
Zakao amim-pitiavana toy ny alahelon'akoho ny ezaka izay atao, fa na voahosihosy aza ny lamosina, na voatsaingotsaingoka aza ny loha, ny adidy amin'ny taranaka mba vita ihany.
rainisalama
2.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
3.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
4.
Ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy.
aivetinakely
5.
Androngo manetsa ka mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
6.
Ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina.
sylvoalias
7.
Vehivavy lava lamosina ka ny kifafa indray no tapaka
niryna
8.
Androngo mitanina andro ambony vato, ny lamosina zaka ihany fa ny kibo no may aloha.
aivetinakely
9.
Androngo manetsa, mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
10.
tsinay tsy mba vatsy, kibo tsy mba lamosina
latina
11.
Kapok'alikany be lamosina indray mifoaka ny tongony sy ny lohany
rafozanasket
12.
ny kibo tsy mba lamosina
zouzou
13.
Ny tsinay tsy mba vatsy ny kibo tsy mba lamosina
doum
14.
Ny tsinay tys mba vatsy ny kibo tsy mba lamosina
doum
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1025