Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mason
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mason
Hampiditra ohabolana
1.
Aza mahidy imason-tsipa, fa ny vola fitady ary ny aina fanary..
Ny_Arlinah
2.
Aza ny hakelin'ny masony no jerena, fa ny fandrosoana hoentiny
lehsabotsy
3.
Didimason'ny be lanonana, mitomany mahita soa
omegaedvin
4.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
5.
Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
6.
Vivy nanitrika ka bongo mason' ny nahiny
yveratsimb
7.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
8.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
9.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
10.
torimason'ilay jamba ka aina no fetra
andrianaly
11.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
12.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
13.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
14.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
15.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
16.
DIDIMASON TSOKINA KA NY KELY ANANANA NO AVANDRAVANDRA
kiriah
17.
Ny fitiavantsika dia ataontsika toy ny torimason'ny jamba ka faty no isarahana
DEDAKE
18.
"Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny"
walte
19.
Fom-behivavy tsy hay fitahina, na tsy mamaly izy ny vaingan-dranomasony iray vidin-dafo.
aivetinakely
20.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
21.
Vanda-miamboho toa mpihatsaravelatsihy, ny fihodin'ny masony no amantarana azy.
aivetinakely
22.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
23.
Vidin-dafo tahaka ny ranomason'andriana.
aivetinakely
24.
Volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan'ny masony tsy hamiratra.
aivetinakely
25.
Menamason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
26.
Mandroroa toy ny mason antitra.
kanto1
27.
Ny alahelon-drabe hambo-po nampangain'ny masony bongo, nahitsokitsoky ny sentony malefaka.
dziana
28.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
29.
Ela nitoratorahana hoe ka nahavoa mason'angatra
sylvoalias
30.
Toy ny mason-tsokina io ka izay kely hanana no ahiratra
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1031