Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mazava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mazava
Hampiditra ohabolana
1.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
2.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
3.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
4.
Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana.
aivetinakely
5.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
6.
Tsy azo atao ny mifidy anatrehan'ny volana na masoandro fa ny iray fanilon'ny aizina, ny iray fitariky ny mazava.
aivetinakely
7.
Mazava ampidirana fa maizina ampivoahana tahaka ny vovo.
aivetinakely
8.
- Tarôndro nidiavintsarety zegny, maso fo miboliaka fa fô tsy mazava - Matsabory misy tatamo è, madio fa tsy mazava è!
Ambininjanahary
9.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
10.
totohondry diavolana: ny mazavaray ihany no voa
latina
11.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
12.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
13.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
14.
Tarondro nidiavin-tsarety, masony miboliaka fa fony tsy mazava
Viky
15.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
16.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
17.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0345