Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe menaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
menaka
Hampiditra ohabolana
1.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
2.
"Aza manao toy ny atody voakapoka ka mahazo menaka mafana vao mitambongana"
vonjygildas.mnp
3.
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry
yveratsimb
4.
Haremberi-foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
5.
Lambo maholy tsy be menaka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
6.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
7.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
8.
Harem-bery foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
9.
Aza atao misomidika ambony toa menaka ny fihavanana fa ataovy latsaka anaty toa tsoka.
aivetinakely
10.
Harem-bery foana, toy ny menaka ahoso-Bazimba
latina
11.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
12.
samy nosorandreniny menaka izao
doum
13.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
14.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1511