Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miloloha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miloloha
Hampiditra ohabolana
1.
Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy
Damihar'sS
2.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny avy.
yveratsimb
3.
Tanora tsy mandray ravin-dena, ka fotsy volo vao miloloha sobiky
yveratsimb
4.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
5.
Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia tany ka tsy maintsy solafaka
niryna
6.
Tsara vatana miloloha taim-boalavo tahaka ny zozoro.
aivetinakely
7.
sola miloloha fanoto ka tafaray samy malama
elyzo
8.
Ny miloloha vato tsy mihalana, hono, mankarary an-doha ; ny matory tsy milafika mankarary tehezana.
aivetinakely
9.
Mande-tany ka tsy maintsy lena, miloloha lanitra ka tsy maintsy may
niryna
10.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
11.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
12.
Aza miloloha rano roa siny
JMR
13.
Sola miloloha voatavo ka tafaray samy malama
hery
14.
Mandia tany tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra tsy maintsy lena
vale
15.
Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0757