Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe otrik
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
otrik
Hampiditra ohabolana
1.
Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika
herrand_miri
2.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
3.
Otrik'afon'apombo ka tsy midonaka fa mivaivay.
soanja
4.
Akoho nikotrika atodi-mamba ka mamelon-doza ho an'ny tena.
aivetinakely
5.
Aza mandidy alohan'Atra toa ny mpanotrika akoho
niryna
6.
Tambotriky antanimena tsy vazay ndra kely hena!
sylvoalias
7.
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
8.
Maty mangina toa otrik'afo.
aivetinakely
9.
Akoho nikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
latina
10.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
11.
Mpivady mifanara-tsaina ka lany hatramin'ny akoho mikotrika
laolo
12.
Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo
jentilisa
13.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
14.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
15.
Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0473