Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ranomaso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ranomaso
Hampiditra ohabolana
1.
Ranomaso tsy mahatana aina
tahiana.dafy2015
2.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
3.
rastà mibango volo, ranomaso no isarahana
tsiafa
4.
Fom-behivavy tsy hay fitahina, na tsy mamaly izy ny vaingan-dranomasony iray vidin-dafo.
aivetinakely
5.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
6.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
7.
Vidin-dafo tahaka ny ranomason'andriana.
aivetinakely
8.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
9.
Banga manao solo-nify, afa-kenatra eo am-pihomehezana fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
Raherizo
10.
Ny ranomaso no zavatra sarotra atelina indrindra
niryna
11.
Ny ranomaso no mety ritra fa ny fo mitempo fitia tsy mety tapitra
niryna
12.
Hiran'Ikalamomba, ka ranomaso no farany.
ikalamako
13.
Aza manao ranomaso afefy heloka.
niryna
14.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
15.
Ilay banga manao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
latina
16.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
17.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
18.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
19.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
20.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0514