Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rony
Hampiditra ohabolana
1.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
2.
Ilay nahandro vato : raha ny rony dia masaka
yveratsimb
3.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
4.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
5.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
6.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
7.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
8.
Aza mirify amin'ny fampatahorana fa samy miaina amin'ny orony.
aivetinakely
9.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
10.
Ireo izay mifidy ny asa tiany dia toa tsy miasa intsony amin'ny androny
niryna
11.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
12.
tsy fidiny ho an'ny sima ny hanary ny rony, fa ny molotra hitsetritra no tsy ampy
rakekely
13.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
14.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
15.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
16.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
17.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
18.
Aza mandray an-tendrony
JMR
19.
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao nisafelika ho sofiny
mandrindra
20.
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao misafelika ho sofiny
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0862