Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saron
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saron
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
2.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka saron'afo no hita.
niryna
3.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
4.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
5.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
6.
Mitady ny maimbo ka misaron-doha mangery
hery
7.
Tsy sola, tsy paika, ka be saron-doha
mandrindra
8.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.642