Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voanjo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voanjo
Hampiditra ohabolana
1.
Sira voanjo ny agnatse, ka ijay vaky ro mamy
novy
2.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
3.
Ny fitiavana tahaka ny voanjobory mamelana, totofana vao maika mirohotra
aivetinakely
4.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
5.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
6.
te-hoderain'ny goaika ka mamboly voanjo ririnina
jentilisa
7.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
8.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
9.
aza miady voanjo hadiana ka ny vodiny tapaka ny fakany tsy hita
ramuscle
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0748