Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voninahitra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voninahitra
Hampiditra ohabolana
1.
ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina
kafaariaryefatra
2.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
3.
akoholahy mikokokoko akohovavy,tsy hanina havoky fa voninahitra ifanomezana
heriy
4.
Aleo ambany toetra,nefa manana mpanompo iray,Toy izay mihambo ho be voninahitra,nefa tsy manan-kohanina akory.
FENOSOA2
5.
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
yveratsimb
6.
Kabary am-panambadiana, raha mahay voninahitra lolohavina, raha tsy mahay tsiny mandra-maty.
aivetinakely
7.
Ny harena fanjonoam-behivavy, ny voninahitra famandrihan-dehilahy.
aivetinakely
8.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
9.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
10.
Very vola, very voninahitra
aivetinakely
11.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
12.
Fitiavan-karena ka ny voninahitra ihany no milanja azy.
aivetinakely
13.
Aza manaiky be toy ny Tsaravoninahitra
niryna
14.
Ny rano no miady fidinana fa ny rivotra miady fiakarana; ny olombelona miady voninahitra.
aivetinakely
15.
Kokokokon'akoho hoe ka tsy hanina hahavoky fa kosa voninahitra ifanomezana
sylvoalias
16.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
17.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
18.
Voninahitra omena ny tantely fa ny vomanga mba mamy ihany.
niryna
19.
Akoholahy mikokokoko akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana.
aivetinakely
20.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
21.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0422