Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
Voninahitra
Hampiditra ohabolana
1.
Antidahy mangetotra antsena, laza no tadiavina, henatra no azo.
Darystide
2.
Andriana matim-boninahitra, tsy te-hatao hoe manina fa I Miangaly no manina.
aivetinakely
3.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
4.
Matim-boninahitra tahaka ny akoholahy, ny sangany mena no nahafaty azy.
aivetinakely
5.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
6.
Henin-kaja, henim-boninahitra
JMR
7.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
8.
Sarotra omem-boninahitra tahaka ny mandady hajaina
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0267